Fampianarana

Sekoly ambony ISPM Hankalaza ny faha-25 taona niorenany


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Feno 25 taona katroka rahampitso talata 23 janoary ny sekoly ambony “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” ( ISPM) eny Antsobolo.

 

48 ny isan’ny mpianatra tao amin’izy ireo tany am-piandohana. Ankehitriny efa mahatratra 1.800, manomboka ao amin’ny taona voalohany ka hatrany amin’ny taona fahadimy. Fotoam-pivavahana lehibe entina hisaorana sy hanomezam-boninahitr’Andriamanitra no hanokafana  ny fankalazana amin’ity herinandro ity, hoy Razafindrahety Aimée, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly.  Etsy amin’ny Eglizy Katôlika Faravohitra no hanatanterahana izany,  hiantsoana ny maintimolaly rehetra.  Ankoatra izay dia hisy ihany koa ireo hetsika maro samihafa entina hampahafantarana ny sekoly sy ny tantarany, indrindra fa ireo mpianatra efa navoakany. Tsiahivina moa fa lalam-piofanana iray no niaingan’ny sekoly ambony ISPM tamin’izany, efa mahatratra 12 isa kosa izy ankehitriny.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT