Fampianarana

Sekoly ambony ISPFS Leader Nalana tamin’ny toerany izay ekipa tsy nahomby


  • Talata 28 Novambra 2017

Manatanteraka asa fanadiovana ny eo anivon’ny sekoly ambony ISFPS Leader( Institut Superieur de formation Paramédical Science et de la Société) tarihin’ny filoha tale jeneraliny Mahasoa Leader entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana hatolotr’izy ireo.

Nalana tamin’ny toerany avokoa ireo ekipa tsy nahomby rehetra ary notazonina kosa ireo nahitana voka-tsoa hatramin’izay. Zava-baovao entin’izy ireo miatrika ny taom-pianarana vaovao 2017-2018 izany, hoy hatrany Atoa Mahasoa Leader ankoatra ny fampitoviana lenta ny fanaovan’ny mpianatra soutenance ho toy ny eny anivon’ny oniversitem-panjakana. Nomarihiny manokana moa fa mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana ao amin’izy ireo ankehitriny ahitana ny lalam-piofanana droit et technique des affaires, communication en journalisme, communication d’entreprise, transit et douane, formation en management et gestion d’entreprise ary ny sage femme sy ny infirmier. Hosokafana amin’ity taona ity ihany koa ny klioban’ny lalao baolina kitra sy ny basket izay azon’ireo mpianatra handraisana anjara tsara.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT