Fampianarana

Sekoly ambony INSPNMAD Miroso mankany amin’ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Hitondra fiovana sy fanavaozana eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto amintsika ny sekoly ambony Inspnmad.

 Hiroso bebe kokoa mankany amin’ny fikirakirana ny teknolojia avo lenta izy ireo manomboka izao, arahin’ny fahamendrehana sy ny fahendrena. Zavatra dimy loha no hotanterahin’izy ireo amin’izany entina hanasoavana ny  tanora Malagasy raha araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneraliny Razanadrakoto Roland Albert. Lohalaharana amin’izany ny fiverenana amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana ho an’ny rehetra, ny fanamboarana ny ivon-toerana sy foto-drafitrasa hahafahan’ny mpianatra sy ny mpampianatra manao fikarohana ka anisan’ireny ny fifehezana ny teny ho enti-mampianatra, ny fangatahan’ny sekoly ny accréditation avy aminny fanjakana ho an’ireo Inspnmad  19 manerana ny Nosy efa niorina nandritra ny telo taona, raha farany izay tsy kely akory dia ny fanamboarana oniversite paramédical et polytechnique  eto an-drenivohitra manomboka amin’ity taom-pianarana ity. Tsiahivina moa fa hankalaza ny fahafolo taona nidiran’ny sekoly tao anatin’ny lalam-piofanana paramédical ny Inspnmad amin’ity taona ity raha toraka izany koa ny fahadimy taona nidiran’ny sekoly tao anatin’ny Master paramedical sy ny nidirany tamin’ny master polytechnique izay feno dimy taona ihany koa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT