Fampianarana

Sekoly ambony INSPNMAD Hanangana oniversite manara-penitra


  • Zoma 22 Desambra 2017

Fotoan-dehibe ho an’ny sekoly ambony INSPNMAD io taona vaovao 2018 ho avy io. Hiakatra amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ny sekoly entina hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana.

Lohalaharana amin’izany ny fanofanana mpampivelona sy mpitsabo mpanampy izay tena mampiavaka azy ireo tokoa sady mahasangany azy. Hisy ny fananganana oniversite manara-penitra ankoatra ny fampiharana hatrany ilay programam-pampianaran’ny fakiolten’ny Medicine sy ny IFIRP mba hahazoan’ny mpianatra vokatra mahomby. Tsiahivina fa hankalaza ny fahafolo taona nanofanany PARAMED ny INSPNMAD amin’io taona 2018 ho avy io. Tafiditra ao anatin’izany ny dimy taona namoahany ireo mpianatra nahazo ny maripahaizana “Master”. Toraka izany koa ny fahadimy taona namoahany ireo mpianatra manovo fahalalana eo anivon’ny Polytechnique Ambaranjana izay efa samy nahazoany ny “habilitation” avokoa. Nentina namaranana ity taom-pianarana 2016-2017 ity moa dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra “Chevalier de l’Ordre National” ho an’ny filoha mpanorina azy Razanadrakoto Roland Albert. Teny amin’ny Espace  Cardia Ambohidratrimo no nanatanterahana izany notarihin’ny Lehiben’ny distrika Ramboavonjy Tahiry.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT