Fampianarana

SEKOLY AMBONY INSPNMAD Hamokatra mpianatra tsy azo hifaninana intsony


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Sekoly ambony iray anisan’ny manana ny maha-izy azy eto amintsika ny sekoly ambony INSPNMAD. Ankoatra ny lalam-piofanana Paramed dia mamokatra olona ho matihanina eo amin’ny resaka lalana,

sehatra ara-barotra, fifandraisana… ihany koa izy ireo. Efa saika misy azy avokoa manerana ny Nosy, sekoly naorin’ny filoha tale jeneraliny Razanadrakoto Roland Albert izay nanao fikarohana an-taonany maro tany ampitan-dranomasina. Manana fanamby maro ity sekoly ity entina hanatsarana ny sehatry fanabeazana eto amintsika. Anisan’ireny ny famokarana mpianatra tsy azo hifaninana intsony izay hipoitra voalohany ao aminy.
MAMPIHATRA PAIKADY HAFAKELY
Manana paikady hafakely ny sekoly hanatanterahana izany. Hatombony any amin’ny fanavaozana ifotony ny fomba fampitana ny fanabeazana izany fa tsy bambaray toy ny teo aloha intsony. Ho an’ny sekoly naoriny INSPNMAD ohatra dia mitazona finday tsirairay avy eny an-tanany ny mpianatra isaky ny cours. Anjaran’ny mpampianatra no manome ny lohahevitra mandritra ilay cours ka samy manao fikarohana avokoa ny mpianatra mandritra izany. Samy manangana cours tsirairay avy ho azy izy ireo ka mifidy mpianatra iray ny mpampianatra aorian’izany mba hanao ny exposé. Manitsy ilay mpianatra sisa no anjaran’ilay mpampianatra noho izany. Raha misy mpianatra 50 isa noho izany ao anatin’ny efitranon-tsekoly iray dia misy cours 50 isa samihafa ihany koa. Hahafahana manatevina avy hatrany ny tranom-bokin’ny sekoly ireo cours ireo hoy ny filoha tale jeneraliny na havadika ho boky hita maso izany na koa hampidirina anaty site-n’ny sekoly hahafahana manatevina ny fahalalan’ny mpianatra.
MPIANATRA TSY AZO HIFANINANA
Ao anatin’izay mpianatra manao cours izay dia nohazavain-dRazanadrakoto Roland Albert fa mitovy tsy misy hafa amin’ny fomba fampianarana hiainan’ireo mpianatry ny oniversite any Harvard - Etazonia izany. Lasa mpitarika sy mpanitsy fotsiny sisa ireo mpampianatra fa ny mpianatra no tena miasa sy manao ny fikarohana. Azo hatao tsara araka izany hoy izy ny mamorona mpianatra vaovao tsy azon’iza na iza intsony hifaninana eto Madagasikara. Manao fampiharana ny mpianatra ny maraina dia manao teoria ny hariva. Azo hatao ihany koa ny manambatra izay tsara rehetra ao anatin’io cours io dia velabelarina amin-dRamose aorian’izany. Hanahirana ny hiady amin’ireo mpianatry ny INSPNMAD noho izany hoy izy raha handeha hanao fifaninana hidirana ho mpiasam-panjakana….. Ho afaka hiasa avy hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa izy ireny amin’ny alalan’ilay fifanarahana fandraisana ny mpianatry ny INSPNMAD any Alemana notanterahin’ny sekoly…. Ao amin’ny taona voalohany mantsy ho azy ireo efa hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pianarana avokoa ny fomba fananganana orinasa… Efa misy vitrine ihany koa ao amin’ny sekoly manoro hevitra rehefa hanangana ivon-toerana fiterahana ohatra ny mpianatra iray…..
LAMAODY FA TSY NATAO HO AN’NY OLON-DREHETRA Nihazakazakabe ireo tanora niditra teo amin’ny fianarana ho lasa mpampivelona sy infirmiera tato anatin’ny 10 taona teto amintsika. Noho io sehatra io mora ahitana asa satria ao anatin’ny 3 taona monja dia hahazoana ny mari-pahaizana Licence no antony mahatonga izany. Toraka izany ihany koa ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 naneran-tany nanomboka tamin’ny taona 2019 hoy Razanadrakoto Roland Albert, antony tena nampahalaza io lalam-piofanana iray io izay zary lasa lamaody mihitsy taty aoriana. Tsy natao ho an’ny olon-drehetra anefa io fiofanana io raha araka ny fanazavany. Ho an’ireo sekoly efa niaina sy nandalina io lalam-piofanana io toy ny INSPNMAD mantsy dia mahatsapa hoy izy fa raharaha miankina aman’aina ny fanofanana ho Paramed ka ilana antso manokana avy amin’Andriamanitra toy ny asana mpampianatra.
FANTARINA IZAY TENA VOAANTSO
Ho an’ity sekoly ambony iray ity araka izany dia tsy misy ny mason-tsivana handraisana ireo mpianatra ho Paramed vao mirotsaka amin’izany izy ireo. Lohalaharana amin’ireny ny teste psycho teknika tsy maintsy hatao sy ny cours preparatoire hanazavana amin’ilay mpianatra hoe : inona no atao hoe : mpiasan’ny fahasalamana, ny zavatra mety hiainany mandritra izany... Misy entina any amin’ny tranom-paty mihitsy noho izany ny mpianatra iray mandritra ny fanazaran’asa hataony hahafantarana na voaantso hanao ilay asa tokoa izy na tsia. Toraka izany koa ny fanatrehana olona iray maratra be, mpiteraka manao hemorragie…izay tsy maintsy karakaraina sy havotana haingana ny ainy. Raha miisa 60 araka izany ireo mpianatra ao anaty efitranon-tsekoly iray ho azy ireo dia ny 20 isa tamin’ireo no tsy tonga hatrany amin’ny taona fahatelo fa nitsoaka an-daharana ary niova lalam-piofanana hafa.
Pati
Legende : Razanadrakoto Roland Albert, filoha tale jeneralin’ny sekoly ambony INSPNMAD
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT