Fampianarana

Sekoly ambony GSI Namoaka teknisianina 150 mianadahy


  • Sabotsy 09 Jona 2018

Namoaka mpianatra 150 mianadahy indray ny sekoly ambony GSI. Emergence na Fisandratana no anarana nisaloran’izy ireo, notolorana ny mari-pahaizana Diplômes de technicien superieur sy ny Licence

 
 misandrahaka amina lalam-piofanana dimy dia   ny tourisme voyage et hôtellerie, ny informatique de gestion, ny multimédia et communication ary ny  management des affaires. Nosafidiana manokana ny anarana nisaloran’izy ireo mba   hanainga ny hambom-pon’izy ireo. Misy ny pays émergent ka ho anisany ihany koa i Madagasikara amin’ny alalan’ireto tanora nahazo mari-pahaizana ireto, hoy ny filoha mpanorina  ny GSI  Atoa Randrianaivo Geremioh. Nisy ny antso avo natao tamin’ny  fanjakana nandritra izany mba hanampiana ny oniversite tahaka azy ireo  toy ny  fanalefahana ny vola aloa amin’ny fampidirana fitaovana ohatra entina hanasoavana ny tanora Malagasy.  Ho an’i Andry Ramaroson, mpandraharaha ary ray mpiahy ny andiany Emergence, dia nilaza ny hanampy ireto mpianatra vao nivoaka ireto ny tenany amin’ny alalan’ny “coaching” ary raha tsara ny tetikasa kasain’izy ireo hatao dia vonona  ny  hanohana ara-bola mihitsy izy.  Tsiahivina fa sekoly ambony efa nahazo fankatoavana avy tamin’ny fanjakana ny oniversite GSI.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT