Fampianarana

Sekoly ambony GSI Namoaka mpianatra 200 mianadahy


  • Alatsinainy 29 Mey 2017

Namoaka mpianatra 200 mianadahy ny zoma lasa teo ny sekoly ambony GSI etsy Antaninarenina.

Ny 100 tamin’ireo no notolorana ny mari-pahaizana Diplôme de technicien Supérieur raha nahazo ny licence kosa ny 100 ambiny. “Fanilo” no anarana nampisalorana azy ireo izay teo ambany fiahian’ny tale jeneralin’ny orinasa La gastro pizza Razafindraibe Landry. Fantatra fa  horaisin’ity orinasa iray ity hianatr’asa sy  hiasa ao aminy avokoa ny ampahany amin’ireto mpianatra navoaka ireto izay hita fa  tena niezaka tsara. Efa afaka miatrika asa avy hatrany mantsy izy ireo raha mety tsara amin’ny orinasa ihany koa ireo lalam-piofanana efatra narahiny dia ny Multimédia et communication, ny management des affaires, ny management du BTP ary ny informatique de gestion. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny sekoly ambony GSI izao hetsika famoahana andiana mpianatra izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT