Fampianarana

Sekoly ambony ESPIC Niampy 40 mianadahy indray ireo teknisianina navoakany


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Nitombo isa indray ireo teknisianina ambony eto amintsika. Anisan’izany ireo 40 mianadahy vao navoakan’ny sekoly ambony ESPIC ( Ecole Supérieure Professionnelle en Informatique et Commerce) etsy 67 ha ny sabotsy lasa teo.

 

  Ny 20 amin’ireo no notolorana ny mari-pahaizana Diplôme de tecchnicien Superieur na ny bacc+2, raha nahazo ny mari-pahaizana Bakalôrea  professionnelle kosa ny 20 ambiny nianatra momba ny fitantanana, ny informatika, ny commerce ary ny droit. Nambaran’ny solontenan’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa fa tsy vitan’izy ireo irery ny fanampiana ny tanora Malagasy hiditra avy hatrany eo amin’ny sehatry ny asa tahaka izao fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny sekoly tsy miankina izy ireo. Anisan’ireny ny sekoly ambony ESPIC izay hany sekoly afaka manome io mari-pahaizana Bakalôrea professionnelle io entina hanampiana ireo tanora  tsy afaka manohy ny fianarany intsony noho ny antony maro. Nambaran’ny tale jeneraliny Atoa Miandrisoa Manantena fa efa miroso  amin’ny fijerena manokana ireo ankizy madinika eto amintsika ihany koa izy ireo ankehitriny amin’ny alalan’ny fanokafana ny fikambanana Ankoay izay sady hampianatra azy ireny ho tia sy hankafy ny lalao baolina kitra no hampirisika azy mafy mba hilofo amin’ny fianarany ihany koa. Ny sabotsy teo no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany teny Ivato.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT