Fampianarana

SEKOLY AMBONY ESPIC Manampy ireo tsy manana Baka, manome diplaoma ireo te-hiakatra sokajy amin’ny asam-panjakana


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Anisan’ny sekoly ambony iray manana ny maha izy azy eto an-drenivohitra ny ESPIC ( Ecole Superieur Professionnel en Informatique et Commerce), manana ny foiben-toerany etsy 67 ha Avaratra Andrefana.

 Anisan’ny mampiavaka azy ny fahafahana manome diplaoma bakalorea profesionnel ho an’ireo izay  tsy manana. Tsy latsa-danja amin’izany fanomezana diplaoma ho an’ireo tanora vonona hiditra eo amin’ny sehatry ny asa avy hatrany.

FIOFANANA  MANOKANA

Mbola betsaka ireo olona tsy manana ny mari-pahaizana Bakalorea amin’ny ankapobeny. Anisan’ny lalana iray hahafahana manao dingana eo amin’ny fiainana anefa ny fananana azy, antony nanosika ny ESPIC hanampy ireo voakasika. Manome fiofanana manokana ireo izay liana izy ireo, tsy mifidy taona, fa rehefa manana ny mari-pahaizana BEPC dia efa mety. Hahazoana ny diplaoma mitovy lanja amin’ny bakalorea professionnel sokajy fahatelo amin’ny asam-panjakana  izy io amin’ny alalan’ireto lalam-piofanana ireto dia ny gestion sy ny informatika. Aorian’ny fiofanana dia manome sy miantoka fianaran’asa na stazy eny anivon’ny orinasa ny sekoly.

MISY IHANY KOA NY FORMATION MODULAIRE

Manome fiofanana hafa ho an’ireo mpianatra te hiasa avy hatrany ihany koa ny ESPIC. Anisan’ireny ny  Bureautique  special natokana ho an’ireo tsy mahay mikitika solosaina mihitsy. Avy hatrany dia manao fampiharana ao anatin’ny fiofanana ka solosaina entin-tanana iray ho ana mpianatra iray. Mampianatra PAO ihany koa izy ireo ho an’ireo izay te-hiasa amin’ny imprimerie, na koa amina orinasa mikirakira ny sary toy ny fanamboarana taratasy fanasana, ny peta-drindrina, ny sary famantarana ( logo)…Mampianatra momba ny maintenance et reseaux ihany koa izy ireo, ny programmation d’application, ary ny programmation WEB.

 

MANOME NY MARI-PAHAIZANA BACC+2

 

Ankoatra  ireo dia fantatra ihany koa fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo te hahazo ny Diplômes de technicien Supérieur na ny DTS eo anivon’ny sekoly ambony ESPIC. Toraka izany ireo te-hahazo catégorie amin’ny asam-panjakana amin’ny alalan’ireto  lalam-piofanana roa ireto dia ny commerce sy ny informatika. Mbola hiantohan’ny sekoly ihany koa ny fianarana asa ho an’ny mpianatra eny anivon’ny orinasa raha efa miasa daholo ny ankamaroan’ireo ankizy mpianatra efa nivoakan’izy ireo.  Anisan’ny mpiara-miasa akaiky amin’ny ESPIC ohatra ny MEI, ny Reciproq, ny vondrona Vidy Varotra, ny BC Entreprise, ny GIB, ny Gasy Pub, ny Aiel service….Marihina moa fa voafetra ho 12 isa isaky ny lalam-piofanana ihany ny mpianatra. Azo hatao ny miantso ny laharan-tarobia 033 08 603 27 na koa ny 034 54 733 71 ho an’ireo izay mila fanazavana fanampiny.

 

Pati


 

 

 

 

 

             

                             

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • FanatsarĂ na ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT