Fampianarana

Sekoly ambony CNTEMAD Hiroso amin’ny fanofanana arak’asa ny mpianatra koa


  • Zoma 21 Jona 2019

Mpianatry ny oniversitem-panjakana CNTEMAD miisa 16.800 no miatrika fanadinana, hifarana anio.

 

Misandraka amina distrika 46 ao anatin’ny faritra maromaro  izy ireo raha miisa 46 ihany koa ireo foibem-panadinana mandray azy. Tonga nitsidika ny foibem-panadinana LMA  Ampefiloha sy JJ Rabearivelo etsy Analakely tamin’ny Alatsinainy teo ny tale nasionaly vaovaon’ny CNTEMAD Atoa Jean Jacques Rakotoarison, notronin’ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny sekretera jeneraly. Nivoitra nandritra izany fa anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hampangarahara tanteraka ny fanadinana tanterahin’ireo mpianatry ny CNTEMAD. Misy  officier de police judiciare mihitsy mantsy manara-maso sy mametraka tombokase amin’ny taratasim-panadinan’ireo mpianatra mialoha ny hanaterana azy any amin’ny CNTEMAD. Tsiahivina moa fa efa tamin’ny taona 1992 no nijoro ny CNTEMAD. Mpianatra maro no efa navoakany ary amin’izao manaraka izao dia hisy ihany koa ny fanofanana arak’asa ny tanora hahafahana miady amin’ny fahantrana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT