Fampianarana

SEKOLY AMBARATONGA FOTOTRA Hofoanana ny CEPE, volana martsa ny fidirana


  • Alakamisy 23 Martsa 2017

Tongotra mby an-dakana ny an’ny fitondram-panjakana amin’ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana eto amintsika. Efa tafiditra ao anatin’ilay drafitrasa vaovao momba ny fanabeazana ny fampiharana izany, araka ny fanazavan’ny minisitra Paul Rabary saingy tsy azo hirotorotoana.

 Hatambatra ho iray ny EPP sy ny CEG, hoy hatrany izy, izany hoe hofoanana ny CEPE ka tsy voatery hahazo io mari-pahaizana iray io intsony ny zaza iray vao afaka mandia ny taona fahenina. Mikasika ny fidiran’ny mpianatra indray dia fantatra fa havadika ho volana martsa na aprily izany, hifarana ny volana desambra. Ny mba hahafahana mitsinjo ireo mpianatra any amin’ny faritra mandritra ny fotoam-pahavaratra no tanjona tsy hahabanga be loatra ny fotoana hianaran’izy ireo. Any amin’ny taona 2020 vao tena hihatra tanteraka izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT