Fampianarana

Sekolim-panjakana Tsy nianatra ny mpianatra fa nozaraina fanampiana


  • Sabotsy 09 Mey 2020

Saika tsy nianatra avokoa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana omaly zoma.

 

 

 

 

 Noho ny fizarana ilay fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo mpampianatra no anton’izany. Mpampianatra miisa 3000 no nozaraina aron-tava, tabavy CVO ary vatsy tsinjo nandritra izany. Zap 6 no nanaovana ny hetsika raha araka ny loharanom-baovao ka ho an’ny ZAP 1 dia tetsy amin’ny Lisea maoderna Ampefiloha no nanatanterahana izany. Nisy tamin’ireo mpianatra tsy nahalala fandaharam-potoana araka izany no niverina nody ka noraisin’ny olom-pirenena ho fanafoanana ny fampianarana eny anivon’ny sekoly tsy miankina izany noho ny fiparitahan’ny COVID 19 eto amintsika izay ahitana ankizy maro no voany. Hatramin’ny omaly zoma fotoana nanoratanay moa dia mbola tsy nisy ny vaovao ofisialy mikasika izany. Mbola mianatra hatrany ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana eny anivon’ny sekolim-panjakana raha nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina sasany no efa nanapa-kevitra ny hampitsahatra izany aloha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT