Fampianarana

Sekolim-panjakana Tsy mandoa vola aloha ny ray aman-dreny…


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nanokana tetibola ny fitondrana hanamaivana ny Ray aman-dReny, indrindra ny eny amin’ny sekolim-panjakana.

 

 Nisy vola nalefa any amin’ny sekoly tsirairay manamarika ny maha maimaimpoana ny fampidirana, hoy i Andry Rajoelina omaly. Nambara fa maro be ireo miverina an-tsekoly noho ny fanapahan-kevitra noraisina. Miezaka izahay ny hanome ny ankamaroan’ny mpianatra eny amin’ny EPP ny “Kits scolaires” ka ezahina mba ho maro no hahazo. Tsy voatery hahazo daholo, fa izay tratra dia tokony hataon’ny Ministera avokoa, hoy indray ny filoha. Tsy tokony hisy vola mihitsy aloan’ny Ray aman-dReny. Misy ihany ireo mpampianatra FRAM “non subventionné”. Matetika dia ny Ray aman-dReny no manao “cotisation”, ka efa misy ny “caisse école” homena ny EPP rehetra. Tsy tokony hisy vola alohan’ny Ray aman-dReny amin’izao telo volana voalohany izao. Midika ve izany fa any amin’ny telo volana faharoa sy fahatelo dia tsy maintsy hiverina handoa latsakemboka ho an’ny mpampianatra ihany ireo Ray aman-dreny ? Nirary soa ny mpianatra hiditra amin’ny 26 oktobra i Andry Rajoelina. Tahaka izany ihany koa ireo hanala ny fanadinam-panjakana anio.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT