Fampianarana

Sekolim-panjakana Horarana ny fanaovana “cours”


  • Alakamisy 13 Jolay 2017

Tao anatin’ny taona maro, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena,

Paul Rabary, dia hita ho ambony hatrany ny taham-pahafaham-panadinana teto amintsika saingy ny olana dia matetika tsy mifanaraka amin’ny fahaizan’ireo mpianatra ny vokatra nivoaka. Misy fiantraikany izany, hoy ny fanazavany, rehefa hiditra eny amin’ny anjerimanontolo ilay mpianatra na koa rehefa misy teknisianina vahiny tonga manao tombana aty amintsika dia tsikaritra fa tsy mifanaraka amin’ny fahaizan’ireo mpianatra ny diplaomany. Mba hisorohana izany ary dia ao anatin’ny fandinihana ny hanafoanana ireny fampianarana manokana na “cours” eny amin’ireny sekolim-panjakana ireny ny minisitera amin’izao fotoana mba tsy hisy ny fifamitahana satria dia lasa fitadiavam-bolan’ireo mpampianatra manokana ilay izy ary manantena laza adina sahala amin’ilay hitany any amin’ny “cours” hatrany ireo mpianatra rehefa tonga ny fanadinana. Fahaizana aloha, hoy ny fanazavany, vao taham-pahafahana ary aleo mpianatra tena mahay no afaka fa tsy mpianatra mpanao tsianjery.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT