Fampianarana

Sekolim-panjakana Ato ho ato vao hiatrika fanadinana voalohany


  • Alakamisy 17 Janoary 2019

Ny 01 martsa ho avy izao vao hifarana ny fe-potoana faharoa hianaran’ny mpianatra amin’ity taona 2019 raha ny 07 janoary lasa teo no nanomboka.

 

 

 Ao anatin’io roa volana io vao hiatrika ny fanadinana voalohany amin’ny taom-pianarana 2018 -2019  ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana raha ny 27 sy ny 28 febroary ary ny 01 martsa ho avy izao izy ireo  vao hiala sasatra kely ao anatin’ny fanamarihana  ny andron’ny sekoly raha araka ny fanazavan-dRanoroaliravaka Zoelifara, lefitry ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra. Sady lava no mafimafy ity fe-potoana faharoa ity raha araka ny fanazavany izay nomarihiny manokana fa tsy azo antsoina intsony hoe : telo volana na trimestre satria miovaova hatrany.    Ao anatin’ity fe-potoana faharoa ity ihany koa mantsy no tsy maintsy hanatanterahana ny fandaharam-pianarana rehetra hahafahana miatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ka mila maka bahana tsara sy mahay mandamina ny fandaharam-pianarany  ny  mpianatra. Miantso ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba hanao izay ho afany ity tompon’andraikitra ity mba hahazoana vokatra  tsara sy mahomby. Ny 04 martsa ka hatramin’ny 19 aprily indray moa no hotontosaina ny fe-potoana fahatelo ao anatin’ny fandaharam-pianarana raha tsy nivoaka kosa ny tetiandro hanatontosana ny fanadinam-panjakana sy ny fe-potoana handraisana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra vonona ny  hirotsaka hifaninana amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT