Fampianarana

Sehatry ny fanabeazana Nitombo 20 % ireo mpianatra namonjy ny sekolim-panjakana


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Nitombo 15 ka hatramin’ny 20% ny tahan’ireo mpianatra nandeha nonovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana tamin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity.

 

 

 

 Efa misy ny fepetra noraisina mifanaraka amin’izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle. Anisan’ireny ny fametrahana sekoly manerana ny Nosy. Miisa 30 izany ho an’ny sekoly ambaratonga fototra, 6 ny sekoly ambaratonga faharoa raha miisa 8 kosa ny lisea. Tanjona henjehina isan-taona ireo no sady hatao manara-penitra avokoa. Distrika roa no hahazo sekoly vaovao isan-taona miampy , famatsiana tabilio ho an’ireo sekoly vaovao. Amin’ity taom-pianarana vaovao ity dia hosokafana ireo EPP manara-penitra am-polony sy lisea manarapenitra miisa 4 mba hifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra. Ankoatra izay dia hisy lakilasy 400 hapetraka ihany koa. Efa nanomboka tamin’ny volana oktobra ny tetikasa raha miisa 476 kosa no hatsangana manomboka amin’ity novambra ity manerana ny distrika rehetra. Mikasika ny fanampiana omena ireo mpampianatra ENF efa am-perinasa manodidina ny 56.000 mahery indray dia nomarihiny fa efa eo am-pirosoana amin’ny fikarakarana ny fanampiana azy ireny ny fitondram-panjakana. Nohamafisin-dRamatoa Minisitra fa miisa 7500 ireo mpampianatra horaisina ho mpiasam-panjakana amin’ity taona 2020 ary hitohy amin’ny taona 2021 izany.

Nangonin’i Pati

Legende : Ezahina higoka ny tombontsoa tokony horaisiny amin’izay ireo mpianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT