Fampianarana

Sehatry ny fanabeazana Namoaka manampahaizana 142 ny INSPMAD


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Mitombo isa hatrany ireo tanora manampahaizana eto amintsika. Niampy 142 isa indray izy ireo, mpianatra navoakan’ny sekoly ambony INSPNMAD notolorana ny maripahaizana Diplômes de technicien Superieur sy ny licence rehefa nianatra nandritra ny roa sy telo taona.

 

 Lalam-piofanana miisa telo no narahin’izy ireo tamin’izany   gestion et administration d’entreprise, ny droit et technique des affaires raha teo ihany koa ny transit et douane. Nambaran-dRandrianasolo Jean de Dieu, tompon’andraikitra ara-pedagojika eo anivon’ny sekoly nandritra izany  fa anisan’ny tolo-tanana efa nomen’izy ireo azy 142 mianadahy ireto ny fiofanana arak’asa na ny stage. Vokatr’izany, hoy hatrany izy, dia maro amin’ireo mpianatra no efa nahita asa raha mbola marobe ihany koa ireo hanohy. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny lanonana.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT