Fampianarana

Sehatra fanabeazana Mila arahi-maso akaiky


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Ny sehatra fampianarana no kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Rehefa miakatra ny fari-pahaizan’ny olona dia tokony hiakatra manaraka izay ihany koa ny faripananany.

 

 

 

Tsy mahatratra 3% akory ny Malagasy mianatra eny amin’ny ambaratonga ambony raha toa ka mihoatra ny 70% ny ankamaroan’ireo firenena mandroso. Raha ny eto Madagasikara dia zara raha nandalo fanabeazana fototra ny ankamaroan’ny Malagasy. Manoloana izany rehetra izany dia ilaina ny ezaka hampandrosoana ny sehatra fanabeazana, hoy ny Tale jeneralin’ny ESTIIM (Engineering School of Tourism, Informatics, Interpretership and Management), Atoa Andrianadison. Eo amin’ny lafiny fampianarana ambony dia mampametra-panontaniana mihitsy ny zava-misy amin’izao fotoana izao satria maro be ireo oniversite tsy miankina mampanantena zavatra amin’ny mpianatra. Anisan’izany hoy izy ny filazan’ny sasany fa 2 taona dia afaka mahazo ny mari-pahaizana license, na 3 taona dia afaka mahazo ny diploma Master. Izany zavatra izany anefa dia tsy mitombina mihitsy ary hanimba sy hamitaka ny mpianatra indrindra amin’ny tontolon’ny asa. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra faran’izay haingana izany, hoy ny Talen’ny ESTIIM nandritra ny famoahana ny mpianatra andiany FANAJA tetsy amin’ny Centre de Conférence International tamin’ny sabotsy lasa teo. Tsiahivina fa misy lalam-piofanana 6 ny ao amin’ny ESTIIM ka anisan’izany ny fitantanana, ny varotra, ny fizahantany, ny informatika, ny lalàna ary ny diplomasia.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT