SECES Tana sy ny Fanjakana

Mihenjan-droa tanteraka ny tady


  • Talata 21 Novambra 2023

Mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ny Fanjakana sy ny Sendikan’ny

mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroa-mpampianatra na ny SECES Sampana Antananarivo, eo anatrehan’ny fanapahan’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard sy ny Governemanta iombonana tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny karaman’ireo mpitarika sendika. Ny SECES izay efa nanapa-kevitra hiverina hampianatra, saingy mbola nokantsanana ihany ny karama, ka nahatonga azy ireo hilaza fa manao zinona ny fampianarana ambony sy tena mamaky ady amin’ny mpampianatra ny Fitondrana. Nanome fe-potoana ny hamerenana ny karama hatramin’ny omaly tamin’ny 5ora hariva ny SECES Sampana Antananarivo. Notaterin’ny fampahalalam-baovao iray kosa omaly hariva, fa mbola tsy misy ny tena porofo maneho ny fisian’ny fahapahana raha ny firesaky ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Toa manontany tena aza hoe : efa tena mihatra ve ilay fahatapahana. Milaza ny tompon’andraikitra, raha ny noteterin’ny fampahalalam-baovao iray hatrany, fa mety fahataran’ny fandrotsaham-bola na « virement » no miseho. Hanao fivoriambe ny mpampianatra ao anatin’ny SECES Sampana Antananarivo ho an’ity anio ity, ka andrasana ny ho tohiny satria miakatra ambony dia ambony ny fihenjanana eo anatrehan’ny ambaran’izy ireo fa fanaovana zinona ny fampianarana ambony sy ny ezaka mba hiverenan’ny fampianarana ambony. Olan’ny tsy fandoavana tambin-karama sy zo mifandraika an’izany toy ny ora fanampiny an-taonany maro no takiana ny famahana azy, saingy fanapahan-karama no vahaolan’ny mpitondra, izay vao mainka mampitombo ny fahasosoran’ny SECES. Miantso ny mpampianatra rehetra eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo mpikaroka manerana ireo foibem-pikarohana miankina aminy noho izany ny SECES Sampana Antananarivo ho an’ity anio ity.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT