Fampianarana

Seces Tana Mila ampitomboina ny famatsiam-bolan’ny oniversite


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Ny Seces Antananarivo dia nanao fitakiana miisa 7 ny volana martsa sy aprily, hoy ny filohan’ity sendikan’ny mpampianatra mpikaroka ity, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina.

 

 

 

 Tao moa ny vahaolana efa naroson’ny praiminisitra ary isaorana azy na tsy nahafa-po aza. Efa mandeha ohatra ny resaka “reclassement” ary misy miandry kely noho ny antony avy amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Faharoa, iandrasanay ny praiminisitra koa ny mikasika ny “dérogation spécial du maintien en activité”. Fahatelo, ny fandoavana ny karaman’ireo mpikaroka misotro ronono ho an’ny taona 2016 – 2018. Henonay fa efa an-dalana io ka angatahana, hoy izy, mba hafainganina, araka izay azo atao, satria sahirana ireo antitra mbola voatery manatanteraka asa. Fahefatra, ny resaka fanovana ireo rijanteny banga sy tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro izay efa nanomezan’ny Seces tolokevitra ny minisitera mba hisorohana ny fihemoran’ny fampianarana lava. Fahadimy dia manahirana koa ny mieritreritra, hoy izy, ny fivoahan’ireo teny midina na « note de service » isan-karazany na amin’ny governemanta io na minisitera sasantsasany. Efa tamin’ny 40 taona lasa no niteraka olana ny sasany tamin’izy ireny anefa, hoy izy, dia mbola tadiavina averina indray. Ny resaka fifehezana ny famitana iraka any ivelany, ohatra anatin’izany, ary ny didim-panjakana 1980 – 054 no efa namahana ny olana. Tsy azo ekena ny lalàna vaovao mikasika ny fitantanam-bola laharana 2018 – 037 satria ny fandefasana ireo tetibola ho any amin’ny tahirim-bolam-panjakana dia mampametra-panontaniana ny fahafahany mamaly avy hatrany ny filan’ny oniversite. Isika anefa, hoy izy, mbola sarotra alana amin’ny fitarazohan-draharaha na « lenteur de service”. Ny 8%-n’ny tetibola omen’ny fanjakana ny oniversite monja no hany mampihodina azy fa ny ankoatr’izay dia hanefana ireo karazana tambin-karaman’ny mpampianatra sy mpiasa ary mpianatra, indrindra, rehefa misy ny fahataran’ny fanjakana. Mila ampiakarina, noho izany, ny tetibola hamatsiana ny oniversite. An-kilany moa dia misy ity resaka olona miditra sy maka an-tsokosoko ny tanin’ny oniversite ity ka iantsoana ny tompon’andraikitra, hoy hatrany ny filohan’ny Seces Tana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Ecole Normale Supérieure na ENS
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mpianatra 460 notolorana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT