SECES Sampana Toamasina

« Avoahy tsy misy hatak’andro ny karama notapahana »


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Nisy omaly alarobia 22 novambra 2023 ny fivoriana nataon’ny SECES Sampana Toamasina

manoloana ny toe-draharaha mafana momba ny tontolon’ny fampianarana ambony. Naneho firaisankina eo anatrehan’ny endrika antsojay mahazo ny mpitarika ny SECES Antananarivo. « Mitaky tsy misy hatak’andro ny famerenana ny karaman'ireo Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra namanay ao amin'ny Oniversite Antananarivo. Mitaky ny famerenana ho ao anatin'ny teti-bolan-panjakana (Loi de Finance) ny sora-bola ampiasaina amin'ny oniverisite rehetra (HC na « heures complemantaires » sy « vacation », vatsim-pianarana, vola fampiodinan-draharaha, bakalorea) satria io no fototry ny olana mampitranga disadisa misy eo amin'ny Mpitondra Fanjakana sy ny Sendikan’nv Mpampianatra ety amin'ny Anjerimanontolo », hoy izy ireo. Manamafy ny fitakiana nivoaka tamin'ny Filankevitra Nasionaly izay natao teto Antananarivo tamin'ny 08 sy 09 jona 2023 ihany koa izy ireo, dia ny: fandoavana ny « Vacations » sy « H.C » rehetra tsy voaloa : 2018 2019, 2019, 2020, ary ny 2021 2022, miampy ny fandoavana ireo « 3 Decrets » sy ny « Allocation des Recherches » hoan'ireo Mpampianatra misotro ronono rehetra eo anivon’ny oniversiten'i Toamasina ihany koa izy ireo. « Ny famahana ireo olana ireo dia midika ho famerenana ny Hasin'ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa », hoy ny SECES Sampana Toamasina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT