Fampianarana

SECES Sampana Antananarivo «Tsy ekena ny fanesorana 10% ny volan’ny mpampianatra»


  • Alakamisy 06 Jolay 2023

Tsy mitsahatra mampiaka-peo eo anatrehan’ny olan’ny fampianarana ambony ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES.

Nisy indray ny fanambarana nataon’izy ireo eo anatrehan' ny savorovoro nateraky ny fanesorana na fikasana hanaisotra 10% amin'ny volan'ny Ora Fanampiny (Heures Complémentaires) an'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra raikitra, sy ny volan'ny asa an-tselika (vacations) an'ireo mpampianatra an-tselika taom-pianarana 2018-2019, tapany faharoa, eo amin'ny Oniversiten Antananarivo. Nampahafantatra ny SECES Sampana Antananarivo fa araka ny voasoratra ao amin ny lalàna manan-kery dia ny karama (solde) sy ny tambin- karama (Indemnités) no tsy maintsy anesorana hetra, fa ny vatsim-pianaran'ny mpianatra (bourse) sy ny asa an-tselika (vacations) kosa dia tsy voakasik'izany satria asa an-tselika ho fampandehanan-draharaha noho ny tsy fahampian'ny mpampianatra izany asa izany. Marihina, hoy ny SECES Sampana Antananarivo fa tsy nanesorana an'izany 10% izany ny tapany voalohany tamin'ny volan'ny ora fanampiny an'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra raikitra, sy ny volan'ny asa an-tselika an'ireo mpampianatra an-tselika taom-pianarana 2018-2019. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa efa nandray ny volan'ny ora fanampiny taom-pianarana 2018-2019, tapany faharoa ireo mpampianatra ao amin'ny Oniversiten'ny Toliary ary tsy nanesorana 10% izany. Hentitra noho izany io Sendika io nilaza fa mitory "fitondrana tsy mitovy tantana" na "traitement inégalitaire" izany, koa zon'ireo iangarana no mitaky fampitovian-jo. Nampahafantatra ihany koa ny SECES Sampana Antananarivo fa sady tsy marina no tsy misy porofo mivaingana ny filazana fa efa voavaha ny enina (06) amin ireo teboka fito (07) takian'ny SECES Nasionaly. Tsy mety milamina hatramin’izao ny olan’ny fampianarana ambony, fa mandavan-taona toa olana sy fitakiana hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT