Fampianarana

SECES Sampana Antananarivo “Sazio mafy ny mpanakorotana ny bakalorea”


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nisy ny fanambarana nataon’ny SECES Sampana Antananarivo omaly 18 oktobra noho ny hiatrehana ny fanadinam-panjakana Bakalorea, izay vavahady sy kihon-dalana hidirana eny amin’ny anjerimanontolo ho an’ireo mpianatra kilasy famaranana.

 

 Misaotra sady midera ny herim-po ananana sy ny ezaka tsy roa aman-tany nataon’ny Ray aman-dReny tsirairay ho fitsinjovana ny menaky ny aina; Mankahery sy mirary ny soa sy tsara indrindra ho an’ny mpanala fanadinana rehetra mba ho samy hiatrika izany ao anatin’ny fitonian-tsaina tanteraka sy fahasalamana ka samy hahazo vokatra tsara. Aza manahy fa tsy mivaona velively amin’ny lesona sy ny fampiasana efa nampianarin’ireo mpampianatra mpanabe anareo nandritra ny taom-pianarana no hanadinana anareo, hoy ny SECES. Miantso ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny mba samy handray ny andraikitra manandrify azy ka tsy hilefitra na hiraviravy tànana eo anatrehan’ny mety ho fisian’ny zatra làlan-dririnina, fanetribem-pirenena izay sahy misoloky ny mpiara-belona, mampisavorovoro ny saim-bahoaka, mamboly korontana eto amin’ny fuirenena iombonana ary manasoketa ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra rehetra ho fandavorariana an-tsakany sy an-davany ny saim-bahoaka, mamboly korontana eto amin’ny firenena, ary manasoketa ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra rehetra ho fandavorariana io fanadinana io. Saro-pady sy masina loatra aminay SECES ny fanabeazana sy fampianarana, koa dia takianay ny hampiharana ny sazy faran’izay henjana amin’ireny fahavalom-pirenena ireny, ary indrindra ho an’ireo atidoha milotrika ireny asa ratsy ireny, hoy ny SECES.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT