Fampianarana

SECES Nasionaly “Tsy azo ekena ny fivadihan’ingahy praiminisitra”


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Nanomboka omaly ny kaongresy nasionalin’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana ny nosy mandritry ny 3 andro etsy amin’ny Notre Dame du Cénacle Ambohipo.

Tanjona ny hamondrona ny lafiny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy fikarohana siantifika, raha ny fanazavana, fa indrindra, hanomezana vahana sy hasina hiarovana ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izay hita fa voahosihosy. Ho dinihina mandritr’ity kaongresy ity koa ny fanatsarana ny lafiny fanabeazana sy fampianarana ary fikarohana eto Madagasikara mba tena ho fanoitry ny fampandrosoana koa amin’ny endrika marolafy. Manana adidy handinika sy hamoaka fehin-kevitra koa ny SECES Nasionaly ary hanome soson-kevitra mikasika izany koa ny kaongresy nasionaly. Natomboka tamin’ny fandraisana ny tatitr’ireo sampan’ny SECES isam-paritra sy ny asam-baomiera moa ny fotoana omaly, raha ny fanazavana hatrany. Olana itovian’ny isan-tsapana ny fahataran’ny fandoavana “vacation” ho an’ireo mpampianatra an-tselika sy ny ora fanampiny ho an’ireo mpampianatra raikitra isaky ny oniversite manerana ny nosy satria saika 3 taona na 4 taona vao voaray ireo. Mitaraina sy manangam-bovona koa ny rehetra fa tsy manaiky ary manohitra tanteraka ny fivadiam-pitokisan’ny praiminisitra mikasika ny fanomezan-dalana manokana na “dérogation a titre exceptionnel” ireo izay nangataka na efa nahatontosa ny fifanarahana tamin’ny 17 janoary 2020 hoe rehefa nodinihina fanindroany ka nandalo ny antanan-tohatra avy amin’ny “college des enseignants” na “chercheurs” ny antotan-taratasin’ny olona mangataka fisitrahana “maintien en activité” ka neken-dramatoa minisitra dia manaiky avy hatrany ny praiminisitra fa tsy hoe hitsivalana. Rehefa tsy manaiky kosa ny minisitra dia tsy mila mankany amin’ny praiminisitra. Heno anefa fa hoe olona miisa 31 amin’ny 52 na 53 monja no navelan’andriamatoa praiminisitra hisitraka ny “maintien” dia ireo efa manana “doctorat” fa ny mpanampy na “assistant” tsy mbola manana izany kosa tsy mahazo na dia tsy maintsy hampikatona toeram-pampianarana na fikarohana aza izany satria io olon-tokana io no mba sisa tavela mamelona azy ao. Izany, hoy hatrany ny SECES Nasionaly, no mampitaraina ny be sy ny maro fa tsy azo ekena.
J. Mirija
Legende: Tetsy Ambohipo omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT