Fampianarana

SECES Nasionaly Mitaky ny fanalana ny praiminisitra


  • Zoma 17 Desambra 2021

Nifarana omaly tetsy amin’ny Notre Dame du Cénacle Ambohipo ny zaikabe na kaongresin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra manerana an’i Madagasikara

 mivondrona anatin’ny sendika manerana ny nosy na SECES nasionaly nandritry ny 3 andro. Namaranana izany ny fifidianana ireo birao nasionaly vaovao hitantana ny sendika indray mandritry ny 3 taona ka mbola lany ho filoha ny Dr Faliharivony Randriamialinoro. Ankoatra izay dia namoaka fehinkevitra izy ireo ary nanambara fa tsy miandany amina firehana politika no sady tsy manohana olona na antoko politika. Araka ny sata manokana voafaritry ny lalana 2021-005, 2003-008, 95-023 dia takian’ny SECES ny fampiharana ara-bakiteny ny zo sy hasin’ny mpampianatra voafaritr’ireo lalana voalaza ireo. Fanafainganana ny famoahana ny didy fampiharana ireo lalana sy didim-panjakana efa nivoaka. Takiana ny hanomezana lasitra (canevas) itoviana eo amin’ny famenoana ny antotan-taratasy momba ny “vacation” sy ora fanampiny na “heure complémentaire”.
ESORY IREO MPANOHARIANA SY VATO MISAKANA
Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena ny SECES mba hanala sy hanolo tsy misy hatak’andro ireo olom-boatendry mitazona andraikitra ambony izay fantatra fa vato misakana sy manohariana ny fampandehanan-draharaha amin’ny ankapobeny eo anivon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Voalohany amin’izany ny praiminisitra sady lehiben’ny governemanta. Mangataka fihaonana amin’ny filohan’ny repoblika ny SECES aorian’izao zaikabe izao hampahafantarana ny zava-misy marina, ny olana samihafa sy ny vahaolana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa. Raha sanatria ka tsy mbola misy ny fihaonana hatramin’ny faran’ny taona 2021 dia miomana ny hiroso amin’ny filankevim-pirenena ny SECES amin’ny fiandohan’ny taona 2022. Takian’ny SECES ny fandraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra haingana mba hamongorana hatramin’ny fakany ny fibodoan’olon-tsotra amin’ny fomba tsy ara-dalana ny fananana sy ny tanin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly saika manerana ny nosy, ny mba tsy hanaovana zinona ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra voafaritry ny didy aman-dalana manan-kery toy ny “dérogation a titre exceptionnelle de maintien”, ny vokatry ny fampiharana ny didim-pitondrana miisa 3, ny mikasika ny atao hoe “indemnité de recherche et d’investigation” ho an’ireo mpikaroka efa misotro ronono, ny karama na “vacation” an’ireo mpampianatra an-tselika ary ny ora fanampiny ho an’ireo mpampianatra raikitra, ireo rijan-teny samihafa momba ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, hoy hatrany ny tapaky ny SECES Nasionaly omaly.
J. Mirija
Legende: Ireo birao vaovao namaky fehinkevitra avy hatrany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT