Fampianarana

Seces Nasionaly Manameloka ny fitifirana mpianatra


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Raikitra indray ny fifanandrinana teo amin’ireo mpianatr’Ankatso sy ny mpitandro filaminana teny amin’ny oniversiten’Antananarivo omaly.

 

 

 

Tsy nanaiky ny hesorina amin’ny toeram-ponenany eny amin’ny Cité ireo mpianatra ary mitaky ihany koa ny hamahana ny olana eny amin’ny oniversite. Nisy, araka izany, ny tora-bato niantefa tamin’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmoreg tonga teny an-toerana izay mbola andrasana ny fanazavana tena avy amin’ireo mpianatra tokoa na avy amina mpikarama an’ady, araka ny fitarainan’ireo mpianatra heno isan-taona. Mpianatra 3 no nosamborina vokatr’izany ary nisy ny fitifirana ireo mpianatra tamin’ny bala fingotra na “balle à blanc”. Manoloana ny tranga efa niainan’ny oniversite manerana ny nosy efa ho am-bolana maro fa indrindra iny omaly iny dia namoaka fehin-kevitra nandritry ny filankevi-pirenena notanterahin’izy ireo teny amin’ny Cenacle Ambohipo omaly ny Seces Nasionaly. Manameloka izay rehetra nahavanon-doza tamin’ny famotehana ny fananan’ny oniversite toy izay nitranga tany Fianarantsoa izy ireo ary melohiny toy izany koa ireo antsojay sy ramatahora natao tamin’ireo mpampianatra mpikaroka namany. Indrindra fa ny fitifirana ireo mpianatra tamin’ny bala fingotra omaly. Miantso ny fitondrana, araka izany, ny Seces hamaly tsy misy hataka andro ny fitakian’izy ireo rehetra ary hanasazy ireo nahavanon-doza rehetra voalaza teo izay nambaran’izy ireo moa fa fahavalom-pirenena. Ankoatr’izay dia mitaky tsy misy fepetra ny famotsorana ireo mpianatra nosamborina ihany koa izy ireo

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT