Fampianarana

SECES manerana ny nosy Efa tena mahita ny tsy fahita


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Ny birao nasionaly sy ireo biraon’ny sampana SECES manerana ny nosy izay nanatanteraka fivoriana ampitain-davitra omaly 6 oktobra 2022

dia mahatsapa fa fanesoana sy fandranitana anay mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mivondrona ato anatin’ny SECES ny filazan’ny mpitondra fa anisan’ny atao laharam-pahamehana ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, manoloana ny fampitam- baovaon’ny filankevitry ny minisitra, ny datin’ny 28 septambra 2022 lasa teo izay milaza fa « 200 postes budgétaires » fotsiny ihany no mba nomena ny MESupReS, hoy ny fanambaran’izy ireo. Mahita ny tsy fahita izahay mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra tato anatin’ny 2 taona izay satria zary lasa ankilabao tanteraka sy voahosihosy ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Noho izany dia tsy hamoaka valim-panadinana taom-pianarana 2021-2022 no sady tsy hiroso velively amin’ny fidirana 2022-2023 ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mivondrona ao amin’ny SECES raha tsy voaloan’ny fitondram-panjakana mialohan’ny daty efa voatondron’ny CPU na “Conférence des Présidents des Universités” farany teo ny ora fanampiny na «Heures Complémentaires », ny « vacations », « indemnités de recherches » ho an’ny « retraités chercheurs », « rappels sur les 3 décrets » sy ny hafa rehetra. Mitaky ny mangarahara tanteraka sy mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena, eo amin’ny fandraisana ho mpiasam-panjakana an’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny SECES. Tena tsy mifanaraka velively no sady ambany lavitra noho ny isan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra efa lasa nisotro ronono sy ireo nodimandry ny « 200 postes budgétaires » nomen’ny fitondram-panjakana ny MESupReS. Mitaky fijerena manokana ny fampitomboana ny « postes budgétaires » ho an’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara- tsiansa mba ho tena mifanaraka amin’ny zava-misy marina tokoa no sady hifanahantsahana amin’ny an’ireo minisitera hafa. Tsy ekenay ny fibodoana an-keriny sady tsy ara-dalàna ny tanin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly ary miantso fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny mpitondra fanjakana sy ny minisitera rehetra voakasikin’izany, indrindra, fa ireo minisitera mivondrona ao anatin’ny kaomisionina momba ny tanin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly, hoy hatrany ity sendika ity.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT