Fampianarana

Seces Antananarivo “Mety ho sarotsarotra ny toe-draharaha”


  • Talata 20 Oktobra 2020

Nanao fanambarana ny Seces sampana Antananarivo fa misaotra ny ray aman-dreny tamin’ny fikarakarana ny zanany sy niezaka mafy nijery ny hoavin’ny taranaka na mafy aza ny niainana tanaty fihibohana.

 

 Mirary soa ireo mpanala bakalorea ihany koa mba ho afaka soa aman-tsara. Henonay siosion-dresaka fa misy fanetriben’ny firenena mitady hamboly korontana ao anatin’izany, hoy hatrany ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka, ka hisompatra ny ezak’ireo mpikarakara ity fanadinam-panjakana ity. Miantso ny fitondram-panjakana ny Seces mba tsy hilefitra amin’ireo mpanakorontana ary handray ny andraikiny sy hamongotra hatrany amin’ny fakany izay tratra manao heloka bevava tahaka ireny. Mety ho sarotsarotra ny toe-draharaha amin’ny fandraisana ireo mpianatra ety amin’ny oniversitem-panjakana, hoy ny filohan’ny Seces Antananarivo, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina, satria ny taom-pianarana 2018 – 2019 ankehitriny dia mbola misy ny mamita taom-pianarana, misy ny manatanteraka fanadinana ary misy ny efa manomboka sahady angaha ny taom-pianarana 2019 – 2020. Ho avy indray ny 2020 – 2021 dia mipetraka ny fanontaniana hoe ahoana ny hiatrehana azy? Ilana valiny amin’ny tomponandraikitra ny drafitra momba izany, hoy hatrany ny Seces. Ny famitana ny taom-pianarana 2018 – 2019 dia efa vonona izahay fa ny enti-manana hanombohana ny 2019 – 2020 hanao ahoana, hoy izy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT