Fampianarana

SECES Antananarivo “Henonay ilay hoe :ho hita eo izay reraka aloha!”


  • Talata 26 Jolay 2022

Raha nitaky nandritry ny 2 volana sy tapany ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Antananarivo dia mety gaga ny rehetra satria

 nanana fanetren-tena hilefitra izy ho fitsinjovana ny zana-bahoaka mandrato fianarana ety amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana, hoy ny filohan’izy ireo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Fantatra, tsapa, hananana porofo amin’ny fomba maro, hoy izy, fa tsy ho antenaina hamaha olana ka hametraka amin’ny toerana mendrika azy ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity fitondrana mijoro ity. Resy lahatra izahay satria natao ny fihaonana tamin’ny fitondram-panjakana ambony, isany ny fiadidiana ny repoblikan’I Madagasikara. Nisy koa ny fanatonana, fifampiresahana amin’ireo mpitondra fanjakana ambony. Hita ary tsapa fa fandrirarirana sy fandaniana andro no nataon’ireny olona ireny. Henon’ny sofinay tsara mihitsy ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny tomponandraiki-panjakana ambony ny hoe “Avelao hanao eo fa ho hita eo izay reraka aloha!”. Izany ve no mba fahendren’ny atao hoe mpitondra fanjakana? Misy antony matoa mitaky ny SECES manerana ny nosy. Nanapa-kevitra ny SECES manerana ny nosy fa tsy hitaky amin’izao fitondrana izao intsony fa manantena kosa fa tsy maintsy hisy rafitra vaovao hametraka amin’ny toerany ny tena hasin’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika izay fantatra fa hany kitro hifaharan’ny fandrosoam-pirenena. Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrin’ny SECES ihany. Aleo mampangina ambo-po rehefa tsara fa manao be marenina ny mpitondra, hoy hatrany ny SECES Tana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT