SECES Antananarivo

“Fahavalo sy mpanani-bohitra ny Prédator”


  • Alakamisy 26 Oktobra 2023

Ny SECES Sampana Antananarivo izay nanatanteraka Fivoriambe sy fitokonana na “sit-in”

teo amin’ny “esplanade” na tokontaniben’Ankatso ny 23 oktobra 2023 dia manao izao fanambarana izao. Mitohy ny tolona fa miandry kosa ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny governemanta mandritra ny filankevitra atao ny alarobia 25 oktobra 2023 mba ahafahana miverina amin’ny fampianarana. Noho izany dia mivory ny sampana ny alakamisy 26 oktobra amin’ny 9 ora maraina sy ao amin’ny toerana mahazatra ary hitafa amin’ireo solontenan’ny mpianatra. Momba ny raharaham-pirenena dia manamarika ny SECES Sampana Antananarivo fa tsy nandalo na tafiditra tamin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana na “Loi de Finance Initiale/ Rectificative” ilay fandaniana mitentina 14 tapitrisa Euro voalaza fa nividianana ny rindran-kajy “logiciel Predator” izay nolazaina fa hampiasaina amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana anatiny ary tsy nampahafantarina ny vahoaka malagasy tompom-bola sy tompom-pahefana tamim-pomba ofisialy ihany koa. Tsapa sy iaraha-mahita anefa fa vao maika mirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy ary tsy mipaka any amin’ny vahoaka tompon’ny vola sy tompom-pahefana ny “vokatsoa” azo avy amin’ny Prédator fa toa fihazana zavatra hafa no ampiandraiketina azy. Noho izany dia raisina ho toy ny fahavalo sy mpanani-bohitra izany fitaovana izany sy ny fampiasana azy ankoatry ny amin’ny fandriampahalemana anatiny koa miantso ireo manam-pahaizana manam-panahy rehetra mba hanohitra sy hanelingelina ary hamotika ny Prédator sy ny fomba fiasany. Ny SECES, sampana Antananarivo dia mamerina etoana ny fanamelohana ireo fanonganam-panjakana misesisy nataon’ireo andrim-panjakana noheverina fa mpiantoka sy mpiaro ny fanajana ny lalàmpanorenana saingy indrisy fa zary mampitsanga-menatra ny firenena malagasy eo anatrehan’izao tontolo izao ankehitriny. Mbola manaitra hatrany ireo manam-panahy sy manam-pahefana ny amin’ny tsy tokony hirosoana amin’ny fifidianana raha tsy efa mipetraka ny fanovana ireo rafitra rehetra mampisavorovoro sy tsy mampisy fitoniana sy fifampitokisana ary mandà ny fifampidinihana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fihizingizinana hanatanteraka fifidianana alohan’izany fandaminana izany dia midika ho fanehoana tsy fitiavan-tanindrazana sy fankatoavana ny fiverimberenana krizy politika, hoy hatrany omaly ny SECES Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT