Fampianarana

Seces Antananarivo “Aoka tsy heverina ho toy ny tsy misy ny ezaka ety”


  • Zoma 06 Novambra 2020

Araka ny tapaky ny fivoriamben’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, sampana Antananarivo, omaly dia mila fijerena manokana izy ireo eo amin’ny fahalalahany maneho hevitra, araka ny lalàna manan-kery manaja ny “franchise universitaire”.

 

 

 

 Tokony hajaina toy ny anak’andriamaso ny fiahiana ara-pahasalamana satria manaiky sady vonona tanteraka ny Seces Tana ny amin’ny hirosoana amin’ny fampianarana satria efa manomboka amin’izany izahay ankehitriny, hoy ny filohan’izy ireo, ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina. Ny sasany moa mbola mamita ny taom-pianarana 2018-2019. Eo anatrehan’izany dia aoka tsy ho heverina ho toy ny tsy misy ny ezaka ahafahana mampita fahalalana ety amin’ny anjerimanontolo. Tokony omen’ny fanjakana ny fitaovana sy fampitaovana rehetra takian’ny hahamehana ara-pahasalamana. Tsy latsaky ny 200 isa ny mpianatra mianatra ho an’ny taona voalohany sy faharoa. Sarotra ny fametrahana ny elanelana 1 metatra isanisany. Mitaky ny Seces sampana Antananarivo fa tsy misy didy aman-dalana milaza fa tsy maintsy mandalo “communication verbale” ny antotan-taratasy ho an’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Anisany ny momban’ny “reclassement” sy ny “maintien en activité”. Aoka tsy atao izay hanavesatra sy hampitarazoka ny fikarakarana antontan-taratasy. Tsy ekenay, hoy ny Seces, ny fanosihosena ny zo sy satanay ka tadiavina hampisandohana na hampisatrohana vondrona sy sokajin’asa hafa.

 J. Mirija

Legende: Ny Pr Sammy Gregoire Ravelonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT