Amin’ny 9 ora alina mbola misy mpanala fanadiana bakalorea miatrika ny laza adina siansa teny Ambohimangakely omaly 3 oktobra.Efa tena sangy mihoatra ny loha, amin’ny 6 ora hariva no nozaraina ny laza adina…
tsy fahamatorana tsy misy mihoatra an’izany intsony .Feno ny kapoaka hoy ireo mpianatra sy Ray amandreny nitaintaina. Mety hiafara amin’ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana Bakalorea ny raharaha fivoahan’ny laza adina nialoha ny fotoana na ny “fuite de sujet” sy ny fahatarana amin’ny fanatontosana ny fanadinana nampikorontana, saika nanerana ny Nosy . Nivoitra tao anatin’ny fanambaran’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Sampana Antananarivo tarihin-dRavelonirina Sammy Grégoire io fanafoanana io, omaly, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso ka hamerenana ny fanadinana. Adihevitra be io amin’izao. Ny mpiadina efa lany rondoha tamin’ilay fanadinana teo ary tsy misy fahadisoan’izy ireo ny zava-niseho kanefa izy ireo no lasibatra. Omaly dia re fa nisy ny fanadinana nanomboka tamin’ny 6 ora hariva, izay tsy mbola nisy hatramin’izay 58 taona nahazoana fahaleovantena izay. Misy ny fanomanana ataon’ny minisitera mpiahy, misy ny fiantsoana ireo mpampianatra avy eny amin’ny lisea terem-panahy na notsongaina manokana hanomana ny laza adina. Mijanona amina toerana iray tsy fantatra, ary tsy afaka mifandray amin’ny ety ivelany sy tsy mahazo mampiasa finday mandra-pahavitan’ny fanadinana, hoy ny filohan’ny SECES Antananarivo. Rehefa tonga ny fotoana hakana ny laza adina, dia alaina manokana ny “chef de centre” miaraka amin’ny “chef Cisco” maka ny laza adina amina toerana manokana. Ao anatin’ny tsiambaratelon’ny fitondram-panjakana ny fanomanana ny fanadinana. Any amin’ny Kaomisaria na any amin’ny tobin’ny miaramila no hametrahana ny laza adina, ka isaky ny hanao fanadinana no manatitra ny antontan-taratasy vita no maka ny laza adina vao hatao. Ankasomparana no nitranga, raha ny fahitan’izy ireo azy, ka manameloka tanteraka izany ny SECES. Fanetriben’ny firenena sy fahavalom-pirenena ny nanao ireny, hoy ny SECES. Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana izy ireo hanameloka araka ny lalàna ho an’ireo olona nahavanon-doza. Mahita izahay fa tsara kokoa raha toa ka foanana ny fanadinam-panjakana amin’izao, dia hahemotra amin’ny fotoana manaraka, hoy hatrany Atoa Ravelonirina Sammy Grégoire. Mila soloina ireo olona mamorona laza adina any amin’ny toerana hanaovana izany sy arahi-maso tanteraka ny fomba fanapariahana ny laza adina mba tsy hiverina intsony ny tahaka ireny satria aminay, dia masina ny fanadinam-panjakana ka tsy tokony hatao toy ireny, hoy izy. Mila jerena akaiky satria isan-taona misy foana ny fanadinam-panjakana fa tsy mbola nisy ny ohatr’ireny. Ny fanjakana amin’ny alalan’ny governemanta no tompon’ny teny farany amin’ny mety hanafoanana ka hamerenana azy io na tsia, ka dia andrasana ny tohiny. Nanamafy ihany koa moa ny SECES Tana fa manome 72 ora ny fitondram-panjakana nanomboka omaly alakamisy 3 oktobra izy ireo hamahana ny olana eny amin’ny anjerimanontolo mialoha ny hahavoatery azy ireo hitokona sy hampiato fampianarana indray.
Toky R/ J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.