Fampianarana

Savorovoro tao Mahajanga Nakatona vonjimaika ny oniversite


  • Zoma 13 Oktobra 2017

Mpianatra 5 naiditra hopitaly ary 5 voasambotra omaly noho ny gidragidra tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Nifandona sy samy mpianatra avy amin’ny BDUM (Bureau des étudiant de l' Université de Mahajanga) sy ny CCE (Conseil Consultatif des Etudiants).

Nisy mihitsy ireo efa nivonona ny hiady, ka namoaka ny entany sy nanentana ireo vehivavy tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra mba hiala ny trano aloha. Omaly maraina kosa no nikasa hanao fivoriambe mahakasika ny fanadiovana sy ny fikaroham-bahaolana ny amin'ny fitokonana ireo mpianatra avy amin'ny CCE, izay tsiahivina fa efa nanao fanambarana amin’ny fivalian’ny 90% tamin’ny fitakiana, ka niantso ny mpianatra hianatra. Nodisoan’ny avy amin’ny BDUM izay namelona ny grevy kosa izany ary nosokajiany ho mpamono afo ny CCE.  Raha tsiahivina, takian’ireo mpianatra mivoy ny hanohizana ny grevy ny tsy fanesorana azy ireo amin' ny trano, ny fialan'ny profesora mitantana ny lalam-piofanana GPM na ny géologie-paléontologie-muséologie, ny famoahana ny vatsim-pianarana 2 volana farany ary ny fanenana ny saram-pisoratana anarana. Nandritra ny fotoana saika hanaovanan’ny CCE, izay tsy mankasitraka loatra ny grevy no raikitra ny sakoroka sy ny tora-bato, ka nisian’ireo naratra mafy. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana, ka nahasamborana ireo 5 lahy, izay tsy fantatra aloha hatreto na efa votsotra na tsia.  Voatery naaton'ny tompon'andraikitry ny oniversite nanomboka omaly 12 otkobra ny fampianarana ao Ambondrona, ary tsy mbola fantatra ny fotoana hiverenany amin'ny laoniny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT