«Salon des études supérieurs» andiany faha 21

Mahatratra 70 eo ireo oniversite handray anjara


  • Alakamisy 29 Aogositra 2024

Eo am-pikarakarana ny andiany faha 21 amin’ny hetsika «Salon des études supérieurs»

amin’izao fotoana izao ny Madajeune, hoy ny tomponandraikitry ny hetsika, Lahatra Andriamahatsangy. Fotoana iray io, hoy izy, hahafahan’ny mpianatra sy ny ray aman-dreny mahalala ny tokony ho atao aorian’ny Bakalorea. Fanao isan-taona io hifankahitan’izy ireo amin’ireo sekoly ambony tsy miankina sy oniversite ary toeram-pampiofanana ambony samihafa avy eto Madagasikara sy any ivelany. Isan’ny mampiavaka ity hetsika ity ny fahamaroan’ireo tranoheva na oniversite mandray anjara. Miisa 80 mahery kely eo amin’ity ny tranoheva. 70 any ny oniversite manerana ny nosy mandray anjara ary ireo isany sangany. Marobe amin’ny tsy hita amin’ireny hetsika mandeha amin’izao ireny no any amin’ny hetsiky ny Mada jeune no ho hitantsika. Maro kokoa izany ny safidy any raha resaka sampana na «mention». «Filière» moa no fiantsontsika azy taloha. Nanomboka tamin’ny taon-dasa dia misy foana ny fanoroana ireo mpianatra ireo ho ataony ao anatin’ny safidiny aorian’ny Bakalorea. Misy boky kely fanoroana izay lalan-kombana izay koa eny amin’io faha 5 sy 6 septambra etsy amin’ny Akoor digue Andohatapenaka io. Ny taona 2002 no nanomboka ny hetsika ary tanjona voalohany ny hampahafantatra hoe inona avy no azo atao aorian’ny Bakalorea? Tsy tokony hijanona eo amin’ny Bakalorea fa tokony handranto fianarana foana aorian’ny Bakalorea. Tsara fantarina fa misy ny diplaoma isan-karazany aorian’izay, manomboka amin’ny BACC+2, BACC+3 hatramin’ny BACC+5, arakarak’izay tianao hijanonana, ary mazava ho azy moa izany fa azo atao koa ny manohy fianarana any ivelany. Marobe tsinona ny azonao atao amin’ny sehatry ny asa saingy voafetra ny azo atao raha Bakalorea fotsiny no hanananao. Tsara kokoa mampitombo fahaizana amina fahaizana manokana na «spécialité» hafa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT