« SALON DES ETUDES SUPERIERURES » FAHA-21

Manome tan-tsoroka ho an’ireo vao afaka bakalorea


  • Zoma 06 Septambra 2024

Miditra amin’ny andro faharoa anio Zoma 06 Septambra ilay hetsika “Salon des etudes Superieures”

andiany faha-21 karakarain’ny Madajeune. Etsy amin’ny tokontany malalaky ny Akoor digue Andohatapenaka no hanatanterahany izany izay misy trano eva manodidina ny 100 isa. Mampiavaka ity hetsika ity raha araka ny fanazavan-dRajaonah Haingo tompon’andraikitra eo anivon’ny Madajeune ny fisian’ireo sekoly ambaratonga ambony manana ny maha-izy azy marobe izay samy manana karazana tolotra omena ny tanora mpianatra, indrindra fa ireo vao afa-panadinana Bakalorea. Anisan’izany ny oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana , ny centre de formation, ny institut superieure raha anisan’ny tokana sy miavaka kosa ny Oniveristem-panjakana ao Fianarantsoa. Tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahana manome toro-hevitra ny mpianatra amin’ny lalam-piofanana tokony hoarahiny indrindra fa ireo mbola misalasala. Toraka izany koa ireo mbola mila tohana sy fanampiana manokana mihitsy mba tsy ho diso lalana amin’ny fitadiavana ny asa tokony hataony rehefa any aoriana. Ho an’ireo mitady vatsim-pianarana ho any ivelany indray dia fantatra fa ny 20%-n’ireo mpandray anjara no afaka manome izany saingy tsy vatsim-pianarana iray manontolo kosa fa izay azony hatao ihany. Omaly moa no nosokafana tamim-pomba ofisialy ity hetsika ity.
Pati
Legende : Rajaonah Haingo, tompon’andraikitry ny Madajeune nandritra ny famoriany ireo mpandray anjara omaly maraina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT