Salon des études internationales

Isan’ny mahasarika ireo mpianatra ny teknlojia


  • Zoma 09 Febroary 2024

Eo am-pikarakarana ny andiany faha 14 amin’ny hetsika

salon des études internationales » ankehitriny ny Mada jeune, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo omaly. Hetsika iray natao hampahafantarana ny mpianatra eto Madagasikara ireo sampam-pianarana azo rantovina eny amin’ny ambaratonga ambony any ivelan’i Madagasikara izy io, hoy ny fanazavana. An-jatony eran-tany ireo oniversite handray anjara. Raha ny «Education USA» izay mikarakara ny fanohizana fianarana any Etazonia, ohatra, dia mampahafantatra ny oniversite rehetra any Etazonia. Toy izany koa ny avy ao Torkia, Inde, Maorisy sy ny maro tsy voatanisa. Miisa 20 eo kosa ny tranoheva ho hita ao anatin’ny hetsika. Miverina eny amin’ny Novotel Alarobia moa no karakaraina ny hetsika ary ho tontosaina ny 6 sy 7 martsa izao. Maro ireo nangataka ny taona 2010, satria Mada jeune moa efa mpikarakara hetsika momba ny fampianarana ambony maro nanomboka ny taona 2002 tany, dia nitsiry ny hevitra hoe maninona moa raha ny mikasika ireo fianarana ambony any ivelany indray no ampahafantarina ireo mpianatra malagasy? Ireo taranja na «filière» tsy misy eto Madagasikara no tena mahaliana ireo mpianatra ho any ivelany. Isany, ohatra, ny «Farmasia», ny taranja mikasika tekinolojia maro, ny resaka tontolo iainana, be dia be. Ireo nahazo «Licence» no tena voasarika. Ny tena mahasarika azy ireo izao ny taranja Farmasia, «Marketing digitale», «Robotique» izay mbola tsy dia misy eto amintsika ireny koa isany mandeha, ankoatran’ireo efa mahazatra toy ny « Management », «Business school» sy ny hafa maro, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT