SALON DES ETUDES INTERNATIONALES

Eny Amin’ny Novotel Convention Ivandry indray no fotoana


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Raikitra ny “Salon de etudes Internationales” andiany faha-15,

karakarain’ny Madajeune izay efa 23 taona nanampiana ireo tanora Malagasy vao afa-panadinana Bakalorea. Afaka rahampitso Alarobia 05 Martsa sy ny Alakamisy 06 Martsa no hanatanterahana izany eny amin’ny Hotel Novotel Convention Ivandry, manana tanjona hanampy ireo tanora Malagasy maniry ny hanohy fianarana any ivelany. Hohampahafantarina ireo mpianatra mandritra izany ny dingana arahiny rehetra raha toa ka maniry ny hanohy fianarana any ivelany izy. Tafiditra ao anatin’izany ireo karazana antontan-taratasy ilaina, ireo karazana Oniversite misy sy afaka mandray, ny saran-dalana….Misy koa anefa ireo afaka mijanona eto an-toerana ihany saingy manaraka fiofanana en ligne kosa ary mahazo ny diplaoma iraisam-pirenena avy eo. Firenena maro no afaka handray ireo mpianatra maniry ny hanohy fianarana any ivelany amin’izany toa an’i Inde, France, Maurice, Singapour, Canada, Malaisie…Arahin’ny fanomezana toro-hevitra maro samihafa avy amin’ny Madajeune amin’ny alalan’ny kaonferansa….mba hahatraran’ilay tanora ny tanjona tiany hokendrena. Nomena tombony manokana moa ireo mpianatry ny lisea amin’ity hetsika indray mitoraka izany. 3.000 Ar monja mantsy no saram-pidirana alaina amin’izy ireny raha 5.000 Ar ny an’ny besinimaro.
Pati
Legende : Betsaka ireo tanora Malagasy efa nahazo tombony tamin’ny Salon nokarakarain’ny Madajeune tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT