SALON DES ETUDES

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16


  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

Hanampiana ireo tanora maniry hianatra any ivelany

Hotanterahina ny datin'ny 04 sy ny 05 Martsa ho avy izao indray Ilay Salon des études Internationales andiany faha-16 karakarain'ny Madajeune. Raha tsiahivina kely dia efa mihoatra ny 24 taona ny nikarakarana ity hetsika ity ny Madajeune entina hanampiana ireo tanora Malagasy vao afa-panadinana Bakalorea maniry hanohy fianarana any ivelany. Tsy tambo isaina intsony ireo efa nahazo tombontsoa tamin'izany ka hatreto dia ny hiazo an'i Canada, Singapour, Dubaï, Malaisie, France, Inde, Nosy rahavavy Maurice, France no mbola tena mahaliana ny tanora. Ny datin'ny 04 sy ny 05 Martsa ho avy izao no hanatontosana io salon io eny amin'ny Novotel convention Alarobia. Natao 3000 Ar ny fidirana ho an'ireo mpianatry ny lisea saingy tsy maintsy mitondra ny karatra maha-mpianatra kosa raha 5.000 Ar ny an'ny besinimaro. Sekoly ambony avy any ivelany sy eto an-toerana maro no handray anjara amin'izany hanome fahalalana feno momba ireo paikady hahazoana vatsim-pianarana mankany ivelany sy ny lalam-piofanana tokony arahina. Hisy koa ny fampahafantarana ireo karazana vatsim-pianarana misy sy azo araraotina tsara miampy ireo karazana antontan-taratasy ilaina amin'izany. Azo hatao tsara moa mandritra ireo roa andro ireo ny maka toro-hevitra sy miresaka mivantana amin'ny mpikarakara sy ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
Pati
Légende : Manampy ankizy maro maniry hianatra any ivelany hatrany ny Salon karakarain'ny Madajeune !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT