Fampianarana

« SALON DE L’ETUDIANT » Hifarana anio etsy Mahamasina


  • Zoma 23 Febroary 2018

Hifarana anio etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina rehefa naharitra roa andro ilay “Salon de l’étudiant” natokana ho an’ny volana Febroary, karakarain’ny Madajeune.

 
  Sekoly ambaratonga ambony manodidina ny 27 isa no mandray anjara amin’izany, ahitana  ireo lalam-piofanana rehetra  hahafahan’ny tanora mahita asa haingana ka anisan’ireny ny fanofanana ho mpampivelona sy ny mpitsabo mpanampy… Raha araka ny fanazavan’Atoa Lahatra Andriamahatsangy, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Madajeune dia anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanohana sy hanampy ireo tanora vao afa-panadinana Bakalôrea eto amintsika.  Tafiditra ao anatin’izany ny fanoroana hevitra azy ireny ny mikasika ny lalam-piofanana tokony arahiny manoloana ny asa tiany hatao rehefa any aoriana raha eo ihany koa ny mba hahafahana manolo-tanana ireo ankizy nanao fifaninana teny amin’ny anjerimanontolo saingy nanao ny tsy ambinina. Manodidina ny 3.000 isa eo ho eo moa ireo mpianatra andrasana hitsidika ity Salon karakarain’ny Madajeune etsy Mahamasina ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT