Fampianarana

Salon de l’étudiant et de l’emploi Tan-tsoroka ho an’ny tanora, mpitsidika 150 000 no andrasana


  • Talata 07 Septambra 2021

Ho ambohipihaonan’ny tanora ana hetsiny ny « Salon de l’Etudiant et de l’emploi » andiany fahatelo, hatao eny amin’ny tokontanin’ny ORTM Anosy ny 20-21-22 septambra 2021 izao,

 hetsika eo ambany fiahian’ny MCU (Maison de la Communication des Universités). Lohahevitra ny hoe : "Les jeunes et l’entrepreunariat " na ny tanora sy ny fandraharahana, ka ny tanora eny amin’ny Lisea, ireo vao afa-panadinana bakalorea, ireo Raiamandreny mampiana-janaka,… no hiantefan’ny fanasana voalohany. Mpitsidika 150 000 no andrasana, raha toa ka 60 000 teo ireo mpianatry ny Lisea nisitraka izany ny 2019, nahatratra 140 000 ny andiany faharoa ny 2020 raha 65 000 no noheverina, ka heverina fa hihoatra an’io 150 000 io aza ity andiany ity. 60 eo ireo tranoheva ahitana ireo sekoly ambony, toeram-panofanana,…. « Tantsoroka ahafahan'ireo tanora misafidy tsara hoe: inona ny karazana fianarana sy lalam-piofanana ataony aorian'ny bakalorea io, mba tsy ho diso safidy sy mba hifanandrify amin’ny asa na tetikasa heveriny hatao any aoriana. Isan’ny tanjona lehibe ny hampihenana ny fialana an-daharana eny amin’ny Oniversite satria maherin’ny 50% izany amin’izao ho an’ny taona voalohany na “1ère année” noho ny mety ho fahadisoan’ny safidin’ny fianarana na lalam-piofanana. Efa fambolena tsikelikely ihany koa ny kolontsaina mpandraharaha ao anatin’ny sain’ny tanora satria tsy ampy ny tolotr'asa eto Madagasikara », hoy Rtoa Fanjanarivo Symonette Pascaline Tale Jeneralin’ny MCU. Hampita ny hetsika any amin’ny faritra ny Telma izay mpanohana ofisialy. “Laharam-pahamehana ho anay ny fampiroboana ny tanora. Betsaka ny azo atao, ary miezaka foana ny Telma mampahantatra ny tontolon'ny "Telecom" satria isan'ny sehatr'asa mbola misokatra sy manana ny hoaviny na "métier d'avenir" io, hoy ity orinasa ity. Ho an’ny Nexta, izay miara-manatontosa ny hetsika dia hisy ny kaonferansa samihafa hataony, hampafantaran’izy ireo ny fanombohana na « Lancement » ho an’ny « Concours start-up », izay fifananam-pirenena misokatra ho an’ny mpianatry ny oniversite, mifototra amin’ny famoronana tetikasa mifandraika amin'ny ODD (Objectifs de Developpement Durable), ka ny tanjona dia ny hivoahan’ny tetikasa mendrika izay hahazo "incubation" na tan-tsoroka sy fanampiana mba ho afaka hikopa-kelatra ireo tanora sy ny tetikasany. Hisy ihany koa ny tranoheva handraisan’ny Agenco CV ho an'ireo ankizy, ka hampidirina anaty « base des données » izany, hosokajiana ary rehefa misy orinasa mitady mpiasa, dia afaka haroso amin’izy ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT