Fampianarana

Sakafo any an-tsekoly 30 dolara isaky ny ankizy amina sekoly miisa 900


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Ny tsy fahampian-tsakafo no anisan’ny antony mamparefo ny ankizy eny fa na dia hatrany an-tsekoly aza.

Raha vantany vao kely ny sakafo hanin’izy ireny na tsy ampy dia lasa matoritory fahatany izy any an-tsekoly izay mety hihafara amin’ny fitsoahana an-daharana mihitsy rehefa tena ho lava. Hita taratra amin’ny hakelin’ny ankizy sy ny tsy fitomboan’ny halavany kosa izany raha mbola latsaky ny 5 taona izy ireny. Izany indrindra no manosika ny fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo na ny PAM hanohana ireo sekoly miisa 900 eto amintsika. Misandrahaka manerana ny distrika 18 izy ireo, raha miparitaka amin’ny Faritra valo kosa. Vola manodidina ny 30 dolara isaky ny ankizy isan-taona no natokany amin’izany ka ilay famatsiana ny sakafo atoandron’ny mpianatra na ny cantine scolaire no tena hiantsirohany amin’izany. Na izany aza anefa dia tsy toloram-potsiny ireo sekoly. Hampianarina mamboly ireo karazana legioma maro samihafa eo an-tokontanin-tsekoly mantsy izy ireny. Ankoatra izay dia raisin’ireo Ray aman-dReny an-tanana ihany koa ny fakana ny kitay handrahoana ny sakafo sy ny fanamasahana izany fa hiandrasana olon-kafa. Samy nanaiky io fepetra napetraky ny PAM io avokoa ireo sekoly miisa 900 ireo raha araka ny fantatra ka ny sekoly ambaratonga fototra no maro an’isa indrindra. Vita sonia tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanatanterahana io tetikasa io ka tany distrikan’Ambovombe no voafidy hisantarana.
Pati
Legende : Tokony ho ampy sakafo tsara tahaka izao ny mpianatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT