Fampianarana

Saint Jean Baptiste de la Salle Imerinafovoany Notokanana ireo efitrano 8 vao nohavaozina


  • Sabotsy 16 Desambra 2017

Notokanana tamim-pomba ôfisialy ny alakamisy teo ireo, ny efitrano vaovaon’ny sekoly masindahy Jean Baptiste de la salle Imerinafovoany, rehefa avy nohavaozina.

Tao anatin’ny 4 volana, nanomboka tamin’ny volana aogositra, no nanamboarana ny foto-drafitr’asa rehetra. Niara-nisalahy tamin’ny fanombohana ny asa sy ity fitokanana ity ireo  herivelon’ny fiangonana NDA Imerinafovoany : ny pretra tompom-paritany sy ny filan-kevitra pastôraly, ary ny avy amin’ny sekoly dia ny maintimolaly, ny mpampianatra ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Efitra 8, amin’ny ilany avaratra atsinanan’ny sekoly, ireto notokanana ireto. Raha tsiahivina dia efa 66 taona no tsy nohavaozina mihitsy io ampahan’ny trano io. Efa nanomboka loa sy boboka ny korodona no sady mitete ihany koa ny valitafo, rehefa fahavaratra. Taorian’ity fanavaozana ity dia sady nihamalalaka ny tokontany no nihalehibe kokoa ireo efitrano ianaran’ireo kilasy ao amin’ny taona faha-10, ny kilasy faha-5 ary ny garabola. “Ny ilany atsimo atsinanan’ny sekoly indray izao no tetikasa manaraka irian’ny sekoly havaozina. Eo am-pamolavolana ny fangatahana fanampiana izahay”, hoy ny talen-tsekoly, Pierre Rakotoarisoa. Nisaoran’ny sekoly manokana moa ny angady nanampy tamin’ity fanavaozana ity, dia ny fikambanana “Manos Unidas”, fikambanana iraisam-pirenena, manampy manokana ny sekoly eto Madagasikara. Mpianatra manodidina ny 1240 moa no mandranto fianarana ao amin’ny sekoly Saint Jean Baptiste de la sale ankehitriny.


Aina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT