Fampianarana

Resabe momba ny laza adina BEPC Manazava ny minisitra Paul Rabary


  • Alarobia 12 Jolay 2017

Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny minisitra Paul Rabary manoloana ilay feo mandeha fa mpampianatra ambony latabatra no nanao ny laza adina BEPC, antony tena nahasarotra ireo taranja sasany fa tsy mpampianatra tena mpanome lesona ny ankizy.

 

 Nambarany fa rehefa mpampianatra dia mitovy avokoa. Ny olana eto amintsika dia efa zatra tandrametaka fa tsy mieritreritra izay tena hahatsara ny sehatry ny fanabeazana intsony, hoy izy. Manana adidy amin’ny fanitsiana izany anefa  izahay minisitera noho ny fihenan’ny fari-pahalalan’ny mpianatra. Tsy ekena intsony ny fizarana fahatany ny diplaoma fa izay tena mahay ihany no tokony ho afaka. Ekena fa latsaky ny 50 % avokoa ny vokatra  nivoaka tamin’ny fanadinana BEPC nanomboka omaly saingy aleo mahita ankizy vitsivitsy afaka  fa tena mahay,  toy izay be tsy handraofana. Nomarihiny manokana moa fa nisy ihany ny zavatra kely niova nandritra iny fanadinana BEPC farany teo iny. Tsy niditra tamin’ny fifanentanana ny laza adina ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera iadidainy fa ireo teknisiana ihany no nanao azy, fanatsarana izay nambarany fa mankany amin’ny fampiharana ilay drafitra vaovao momba ny fanabeazana, na ny PSE.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT