RAZAFINDRAHETY AIMEE, MPAMPIANATRA

Isan-tsegaondra ny fieritreretana izay hahasoa ny mpianatra


  • Alarobia 30 Oktobra 2024

Anisan’ny asa sarotra nefa kely karama ny asana mpampianatra eto amintsika.

Ankoatra ny fanabeazana hatolotra ny mpianatra mantsy dia anjara borikin’ireo mpampianatra ihany koa ny mamolavola azy ireny ho olom-banona, antony manosika ireo tena mpampianatra marina misaina isan-tsegaondra izay hahasoa azy ireny. Mitantara ny zavatra iainany isan’andro Razafindrahety Aimee, mpampianatra sady tompon’andraikitra ara-bola eo anivon’ny sekoly ambony ISPM eny Antsobolo.
Inona no tena sarotra amin’ilay asana mpampianatra ?
Mila « vocation » ny asana mpampianatra izany hoe : tena antso marina ho an’ilay olona manao azy. Sarotra mantsy ny manatanteraka azy io indrindra fa ny fanoroana sy ny fitantanana ny ankizy ho any amin’ny fahamatorana ho anay mpampianatra ety anivon’ny sekoly ambaratonga ambony. Miampy ny fampitana ny traikefa sy ny fahalalana ao anaty izany, arahin’ny fiaraha-mivelatra amin’ny tanora sy ny famolavolana azy ireny ho olom-banona koa.
Ahoana ny fomba fiatrehana ireo ditraditrakelin’ny mpianatra sy ilay fametahana anaram-bositra ?
Tsy afaka amin’ny mpianatra ny ditraditrakeliny. Tsy maintsy misy foana iny fa ny fahaizana mihaino sy mifanakalo amin’ilay mpianatra no tena zava-dehibe. Toraka izany koa ny famoronana anaram-bositra ho an’ny mpampianatra. Rehefa tsy tezitra fotsiny ianao dia mijanona ho azy iny. Na ny mpampianatra koa aza anie mba mametaka anaram-bositra amin’ny mpianatra eh (sady mitsiky). Mahabotrabotra azy ireny izany no sady manamafy ilay fifandraisana am-po. Ho ahy manokana dia isan-tsegaondra no hieritreretako izay hahasoa ny mpianatro. Na dia matory aza aho amin’ny alina dia misaina zava-baovao hatolotra azy ireny hatrany mba ho tena reharehan’ny sekoly nianarany sy ny Ray aman-dreniny ary ny firenena iray manontolo mihitsy izy ireny.
Mahavelona ve ny asana mpampianatra ?
Ho anay ety amin’ny sekoly ambaratonga ambony tsy miankina dia efa mandeha isan’ora izany. Miankina amin’ny asa vita ny vola raisina ary samy manana ny azy. Tsy tena mahavelona ny asana mpampianatra amin’ny ankapobeny fa ilay fitiavana ao anaty no tena manosika. Mahafinaritra kosa anefa izy noho ilay fandraisana anjara amin’ny fanabeazana ny zanaky ny mpiray tanindrazana. Eny am-pandehanana eny dia tsy mijanona ny fikarohana izay hahasoa ny mpianatra ka indraindray mila tsy hananana fotoana ho an’ny ankohonana intsony izany.
Pati Legende : Izy no Razafindrahety Aimee, mpanabe !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT