Fampianarana

Ray aman-dreny tsy afaka mandoa ekolazy lafo Hijoro hanampy azy ireo ny CNTEMAD


  • Zoma 20 Jolay 2018

Betsaka ireo ray aman-dreny tsy afaka mandoa saram-pianarana lafo intsony amin’izao noho ny fahasarotan’ny fiainana.

 

 

 

Tafiditra ao anatin’izany ireo efa afa-panadinana Bakalôrea voatery mijanona tsy fidiny ny ankamaroany, antony mahatonga ireo 13 % monja afaka manohy ny fianarany eny amin’ny anjerimanontolo. Hanampy ireo 77 % ambiny sy ireo ray aman-dreniny mihitsy no antom-pijoroan’ny sekoly ambony Cntemad. Nampitomboana ny trano fianarana etsy Ankadifotsy, izay notokanana omaly. Ahitana  rihina efatra izy io, izay mitentina 60 tapitrisa Ar,  vokatry ny ezaky ny sekoly irery ihany.Nambaran’ny tale nasionalin’ny sekoly Atoa Djohary  Andrianambinina fa ny mba hahafahana mampitombo isa ny tahan’ireo zaza Malagasy tafiditra an-tsekoly no tanjona, indrindra fa ireo efa afa-panadinana Bakalôrea. Nohamafisiny fa tsy misy fifaninanana miditra ao aminy, afaka mianatra any an-trano ihany koa ny ankizy mpianatra sady manao zavatra hafa, fotodrafitrasa ezahina haparitaka manerana ny distrika 119 eto amintsika. Tonga nanatrika ny lanonana teny an-toerana Rtoa Rasoazananera Monique, minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao. Miisa 44 ny ivontoeran’ny CNTEMAD ankehitriny.

 

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT