Fampianarana

Raikitra ny fanadinana CEPE Nidina 9 % ny mpiadina eto Antananarivo


  • Talata 27 Aogositra 2019

Nidina 9 % ny tahan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana CEPE manerana ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra amin’ity taona ity.

 

 

Nahatratra 31.730 tamin’ny taona 2018, nidina ho 28.715 tamin’ity taona 2019  ity. Enina taona no zandriny indrindra ary 29 taona no zokiny izay samy vehivavy. Raha ny fanazavan-dRamananantony Lalaina, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra dia noho ny havitsian’ireo mpianatra tao amin’ny taona fahefatra  niakatra tao amin’ny taona fahadimy mihitsy no nampitontongana io isa io. Tsy niova anefa ny fanomanana ho an’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity izay nofaranany tamin’ny fanaraha-maso sisa omaly hariva. Tanjon’izy ireo ny hirotsahan’ireo mpitsara ny fanadinana avy hatrany manomboka rahampitso alarobia. Ny alakamisy kosa izy ireo no hampiditra ny naoty anaty solosaina ary kasaina havoaka amin’ny faran’ny herinandro ihany ny vokatra. Tsiahivina fa foibem-panadinana miisa 44 no handray ireto mpiadina eto Antananarivo Renivohitra ireto anio talata 27 aogositra ary 16 ireo toerana hanaovana ny fitsarana. Amin’ny 7 ora sy sasany maraina no hanomboka ny fiantsoana anarana. Amin’ny 8 ora no hanomboka ny fanadinana. Ny taranja opération, probleme, SVT ary ny tantara no hisantaran’ireo mpiadina izany ny maraina. Ny malagasy sy ny frantsay ary ny geografia kosa no hamaranana azy anio hariva.

 

Mbola nampahatsiahy ny tsy tokony hanadinoana ny “convocation” sy ny fitaovana ilaina ny mpanabe omaly, toa ny Talen’ny EPP Analakely Rtoa Razafindranivo Nadia. Miisa 73 ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana CEPE anio ho an’io sekoly io.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT