Fampianarana

Raharaha grevin’ny politeknika Foana ilay CODIS, avotra ireo mpianatra 4


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Fanaovana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana miampy fanompana sy faniratsirana ny Filoham-pirenena no

vesatra namoahan’ny Oniversiten’Antananarivo fanapahana fampiakarana filankevi-pifehezana na CODIS ny Mpianatry ny politeenika Vontovorona miisa 4, araka ny taratasy navoakan’ny Filohan’ny Oniversite Pr Mamy Ravelomanana ny 09 martsa lasa teo. Nambara tamin’izany fa voaroaka sy tsy mahazo miditra ny faritry ny oniversite na “Campus” ihany koa izy 4 ireo. Nisy ihany koa moa ny didy fanakatonana ny politeknika sy baiko fanalana ny mpianatra tamin’ny tranony, saingy nofoanana ny ampitson’ny namoahana azy, rehefa nafana ny toe-draharaha, ary nilaza rahateo ny Minisitry ny fampianarana ambony fa tsy nifanarahana teo anivon’ny filankevitra siantifika sy tsy nakana ny hevitry ny Minisitera sy ny CROUA izany. Taorian’izay raharaha izay dia ny 11 martsa no voalaza fa lasa niampita ranomasina ny Filohan’ny Oniversite. Tetsy ankilany, nandeha teny Ankatso ireo mpianatra 4 ny alatsinainy 20 martsa teo, na tsisy “convocation” aza. Tsy nandeha irery niaraka tamin’ireo solonten’ny mpianatra vitsivitsy. Rehefa tonga teny anefa, tsy nisy tompon'andraikitra afaka nanome valin-teny mazava hoe foana sa tsia ilay izy, araka ny tatitry nampitaina tamin’ny mpianatra rehetra omaly. Nisy kosa ny fametrahana taratasy sy fifampiresahana izay nahafantarana mazava fa tsy misy CODIS ary tsy hisy intsony amin’ny fotoana manaraka, hoy ireo mpianatra. Naka mpahay lalàna rahateo izy ireo, dia ny Mpisolovava Eric Rafidison, izay nilaza fa "tsy hoe nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka ny fampiakarana CODIS ireo mpianatra voakasik'ilay fampanantsoana fa tena tsy misy mihitsy izany. “Tanjona tamin’ny nandehanana teny moa ny hahafantarana ny tena marina fa tsy hoe tsy nahazo “convocation” dia hodiana tsy fantatra any ka sao afaka volana maromaro na taona mihitsy dia hisy resaka indray. Arak’izany dia niverina tety amin’ny “Campus” izahay 4 raha voarara tsy afaka niditra ny Faritry ny Oniversite arak'iny taratasy niparitaka iny. Ny nanome anarana, aleo ny tsirairay no samy handini-tena raha toa ka avy aty amintsika no nihaviany, fa ny angatahana dia aoka tsy isika samy isika indray no hifandetika sy hifamingana sanatria”, hoy ireo mpianatra omaly. Momba ny fitakiana, efa voasolo ny “disjoncteur principal” ho an'ny bloc 23, 28, 29 ary 32, raha toa ka mbola vary mangatsiaka kosa ny vatsim-pianarana, polyvalent,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT