Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny zandarimariam-pirenena amin’ny famongorana ireo fanetriben’ny firenena tamin’ny famoahana ireo laza adina Bakalôrea mialoha ny fotoana,
nitranga ny herinandro lasa teo. Olona 43 isa hatreto no efa nosamborina ka ny 6 amin’ireo no efa any am-ponja, mpianatra ny iray. Roapolo kosa ireo navela halalaka kely aloha, 9 tsy afaka mivoaka ivelan’Antananarivo ary araha-maso akaiky. Toerana maromaro no nisamborana ireo olona ireo toy ny teto Antananarivo, Imerintsiatosika, Fianarantsoa, Alakamisinitenina ary Ihosy. Ity distrika farany ity izay nahasamborana olona miisa valo ka ny roa mpampianatra ary ny enina ambiny mpianatra. Vao mainka hihalalina ny fanadihadiana hatao ary hitohy, hoy ny jeneraly Randrianjanaka Njatoarisoa, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany sy ireo ekipa notarihiny omaly. Miantso ny ray aman-dreny mba ho tony izy ireo amin’ny fiatrehana ny bakalôrea “2ème session” ary mampanantena fa hanao izay ho afany amin’ireo andraikitra sahaniny. Anisan’ireny ny fanaraha-maso ireo mpampianatra mitoka-monina manamboatra ny laza adina, ny fitondrana ny laza adina hatrany amin’ny foibem-panadinana ary ny fanaraha-maso ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny foibem-panadinana mialoha ny hiatrehan’ny mpiadina ny fanadinana. Mikasika ny zava-nitranga tao Ambatondrazaka manokana moa dia nomarihin’izy ireo fa “fraude” no nitranga tany an-toerana fa tsy famoahana laza adina mialoha ka mpianatra iray no tratra nanao izany.
Pati / J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.