Fampianarana

Rafi-panabeazana vaovao Tsy vahaolana mahomby, hoy ny filohan’ny Aneffa


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Na faran’izay raitra aza ny fandaharam-pampianarana hajoro eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana amin’io taona ho avy io dia tsy hampahomby na inona na inona, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Aneffa na ilay fikambanan’ireo mpampianatra fram,

Elidio Randrianjafy, rehefa tsy tsara tohana ireo mpanabe. Tsy mifantoka ny mpampianatra rehefa enjehin’ny tompon-trosa isan’andro. Ny ankamaroan’izy ireo mantsy dia voatery midi-trosa noho ny karama tsy ampy. Na eo amin’ny lafiny ara-pitaovana koa aza dia tsy misy firy intsony amin’izao, ohatra, ny boky vaovao. Mampiady amin’ny mpiara-mikambana ao anaty Aneffa mihitsy ankehitriny ny fampanantenana tsy nisy tanteraka nataon’ny fanjakana izay nahatonga anay nitokona efa hatramin’ny taona 2016, hoy izy. Manahy fitotonganan’ny vokatra isan-taona ny tenany. Hopotehina ve ny zaza Malagasy sa atao fotsiny izay hahazoana vola any amin’ny mpamatsy ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT