Fampianarana

Rabekoto Harivola Sangany tamin’ny fanadinana bakalorea 2020


  • Talata 23 Febroary 2021

Mpianatra eto Antananarivo Faritra Analamanga Rabekoto Harivola. Izy no nahazo naoty ambony indrindra tamin’ireo mpiadina bakalorea 2020 nanerana ny Nosy.

 

 

 

 Sokajy ankapobeny, “série C” izy. 17,62/20 ny salanisa azony tamin’ireo taranja niadinana rehetra. Hanohy fianarana any Etazonia Rabekoto Harivola ary hiantoka vatsim-pianarana ho azy amin’izany ny Fondation Siteny, tarihin’ny solombavambahoaka Andrianasoloniaiko Siteny. Anisan’ireo mpianatra mendrika misitraka fanampiana avy amin’ny Fondation Siteny ihany koa Ravelomanato Jean Borda avy any Vangaindrano. Afaka bakalorea “série A2” izy tamin’ny 2019 ary nahazo salanisa 16,11/20. Nanohy niatrika fanadinana bakalorea i Jean Borda ny taona 2020 fa niova sokajy “série C” ary mbola afaka soamantsara ; nahazo salanisa 16,30/20. Noraisin’ny ekipany British School nanamafy ny fianarana teny Anglisy mialoha ny handehanana any Etazonia i Harivola.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT